Tatitry ny Instat : nihena ny tahan’ny fiakaran’ny vidim- piainana

Nahitana fihenana 8,5% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana raha ny antontanisa nivoaka. “Nihena izany raha oharina tamin’ny volana avrily teo. Mbola misy fiakarana kosa ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra fa ny vary hafarana”, hoy ny tale jeneraly Instat, Ndremitsara Tarzan. Nambarany ho anton’izany ireo mpanararaotra ka nian­tsoany ny tokony hanamafi­san’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Varotra ny fanaraha-maso eny an-tsena. Niainga amin’ny alalan’ny vi­din’entana eny an-tsena, indrindra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) no nanaovana ny fanadihadiana.
Nanteriny fa noho ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny fitazonana ny vidin’ ny solika sy ny fampiharan’ny Banky foibe ny politika momba ny «Restriction monetaire» no nampiverina amin’ny laoniny ny taha. “Mbola misy fiakarana kosa ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra fa ny vary hafarana. Tsy tokony ho lafo noho ny vary eto amintsika anefa izany… Ilaina ny fanaraha-maso ireo mpanafina vary”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: