Mitohy ny fanarenana ny lalana eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny eny 67 ha sy ny manodidina, Ambodin’Isotry, Andavamamba, Ampefiloha. Manao ny asa, Andavamamba-Cenam, ny orinasa Colas. Efa rakofana tara ny eny Ankadimbahoaka, Tsimbazaza, Manakambahiny. Ho vita afaka roa herinandro ny eny amin’ny Gamo Ampasampito.
Natao ny 19 sy ny 20 oktobra teo ny atrikasa mahakasika ny paikady hampiroboroboana ny toekarena manga. Manohana azy amin’ny fanatanterahana azy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Nandray anjara ny mpiara-miombon’antoka, ny mpandraharaha, ny solontenan’ny mpiasa, ny tanora ary ny tsy an’asa.
Mitohy ny fanentanana ny mpisehatra amin’ ny fizahantany hiditra ao amin’ny ara-dalàna. Tombony ho an’ny mpisehatra ny fanamafisana ny maha ara-dalàna azy ireo eo anatrehan’ny fanjakana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpizahatany ary ny mpisehatra samihafa. Natao tany Matsiatra Ambony izany ny 16 oktobra teo.
Vita omaly, ny fanoloana ny kojakoja vy ao amin’ny tetezamby vonjimaika «pont Bailey», ao Ambarilava Moramanga. Tsy azo nandehanan’ny fiara vaventy ity tetezana ity nanomboka ny 17 oktobra, fotoana nanombohan’ny asa.