Olona manana fahasembanana : zava-dehibe ny fandraisana azy ireo hiasa

Ankoatra ny fampiroboroboana ny fiahiana sosialy, imasoan’ny Cnaps sy ny mpampiasa koa ny fanomezana andraikitra ny olona manana fahasembanana satria zo fototra izany.

Nanao fihaonana niaraka amin’ny fikambanan’ny tale misahana ny mpiasa ny tomponandraikitry ny Cnaps, ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe. Niompana ta­min’ny lohahevitra maromaro ny dinika : fizarana ny vina vao­vaon’ny Cnaps, orinasa tomponandraikitra, ny famerenana ireo olona manana fahasembanana eny anivon’ny asa.
Tsapan’ny Cnaps fa ma­nana andraikitra lehibe ireo tomponandraikitra misahana ny mpiasa ka nanao sonia fiaraha-miasa ny roa tonta nandritra ny fivoriana hoenti-manatsara hatrany ny fepetra hanatanterahan’ny mpiasa ny asany. Hiara-hiasa hatrany izy ireo hampiroborobo ny fanajana ny zon’ny mpiasa eto Madagasikara. Voarakitra ao anatin’ny fifanarahana ny fanamafisana ny fanentanana momba ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa sy ny fitovian’ny mpiasa rehetra manoloana ny tontolon’ny asa.
Nanambara koa ny tale jeneralin’ny Cnaps fa vonona amin’ny fametrahana tonto­lon’ny asa tsy manavaka na eo aza ny fahasamihafan’ny mpiasa. Zava-dehibe, noho izany, ny fandraisana ireo olo­na manana fahasembanana eny anivon’ny orinasa. Am­pirisihina, noho izany, ny fa­metrahana andraikitra amin’ireo miaina miaraka amin’ny fa­hasembanana satria manana zo hisitraka asa sahaza izy ireo.

Manana tetikasa orinasa tomponandraikitra ny Cnaps ka laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa amin’ireo vondron’ny mpampiasa hampidiran’izy ireo ny mpiasany ho mpikambana ao amin’ny Cnaps ka hisitraka ireo tolotra fanampiana samihafa. Afaka mamokatra am-pilaminana ireo mpiasa rehefa manana antoka fa misitraka fiahiana sosialy maharitra.

Vonjy

Partager sur: