PFSCE : tokony handanjalanja ny fitaovana ampiasainy ny mpitandro filaminana

Manoloana ny tranga niseho teny Itaosy, ny herinandro lasa teo, nandefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo olona nanao diabe, nifanila tamin’ny CSB II ny toerana nilatsahany ka nanempotra ireo zaza tao anatiny. Nana­meloka ny fampiasana ny fitaovana tahaka ireny manakaiky toeram-pianarana, toeram-pitsaboana na faritra ahitana ankizy ny Vovonan’ny firaisamonina sivily miaro ny ankizy eto Madagasikara (PFSCE). Mifanohitra amin’ny zon’ny ankizy tokony harovana amin’ny herisetra sy ny tandindon-doza ny fihetsika na­taon’ny mpitandro filaminana, hoy ny fanambarana nataon’izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Manentana ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana mba handanjalanja ny fitaovana ampiasainy anatin’ ny hetsika samihafa ny mpikambana.
Taorian’ny zava-nitranga, mitaona ny rehetra handany ny politikam-pirenena momba ny fiarovana ny ankizy eto Madagasikara ny Vovonana.
Tsy vao izao fa mateti-pitranga ny voka-dratsy ateraky ny baomba mandatsa-dranomaso amin’ny ankizy sy ny zaza, indrindra anatin’ny hetsika politika tahaka izao. Anisan’ny efa niharan’izany ny hopitaly misahana ny reny sy ny zaza eo Analakely.

Vonjy

Partager sur: