Tafiditra tanteraka ao anaty maitsoahitra isika, fotoana mampidangana ny vidim-bary. Ampy kosa anefa ny tahiry eny amin’ireo mpaninjara mivarotra izany avy amin’ny orinasam-panjakana SPM.
Misy karazany maro sy azo isafidianana ny vary eny amin’ny mpaninjara. “Tsy tokony hanana ahiahy isika mpanjifa fa misy ny vary”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa (FIMZOMPAM), Rabarison Tiana, teny amin’ny tobin’entan’ny orinasa SPM Anosizato. Hita eny an-toerana avokoa na ireo vary nafarana avy any India na ny eto an-toerana, toy ny makalioka na vary gasy na tsipala.
Nisondrotra kosa ny vidiny na izany aza, satria, niakatra ho 3 100 Ar ny kilaon’ny makalioka, ary 950 Ar ny kapoaka. Misy efa mivarotra 3 200 Ar aza ny makalioka eny amin’ny mpaninjara sasany eto an-drenivohitra.
Tsy misy atahorana, araka izany, ny tahirim-bary ho an’ny fotoan’ny maitsoahitra. Ho vidiana eny amin’ny mpaninjara 130 000Ar ny gony 50 kg amin’ny vary gasy mena raha 134 000Ar kosa ny 50 kg
amin’ny vary makalioka.128 000Ar ny gony 50 kg amin’ny vary tsinjo sy ny madrigal. Hitsinjara ny vary isan’andro eny anivon’ny fokontany misy ireo mpivarotra enta-madinika miara-miasa aminy ny orinasa SPM.
Tombony 100 Ar- 600 Ar/kg
Manara-maso tsy tapaka izany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. 100Ar ka hatramin’ny 600Ar isan-kilao ny tombombarotra alain’ny mpaninjara avy amin’ ireo varin’ny orinasa SPM. Ary ho hitan’ny mpanjifa eny amin’ ny mpaninjara ny vidin’entana mba hisian’ny mangarahara sy ny fifampitokisana eo amin’ ny roa tonta. Vonona hanara-maso ny fampiharan’ny mpaninjara ny vidiny ara-drariny napetraka amin’izany ny FIMZOMPAM, araka ny fanazavana. “Vonona hifanome tanana ho tombontsoan’ny vahoaka ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa”, hoy ny filohan’ny FIMPA, Razafintsalama Émile.
Henintsoa Hani