Fisandohana: lahiantitra nahatrarana vola sandoka 360 000 Ar

Lehilahy 66 taona voasambotry ny zandary tao Anosibe, fokontany sy kaominina Ambohitromby, distrika Fenoarivo, ny zoma 27 oktobra teo. Niantsena tamin’ny mpivarotra iray tao amin’io tanàna io ilay mpisoloky. Nampandre ny mpitandro filaminana noho ny fiparitahan’ny vola sandoka ny mponina lasibatra. Niroso tamin’ny fanadihadiana ,araka izany, ny zandarimaria. Voatonona tamin’io raharaha io ilay lahiantitra iray nanamparitaka ny vola. Nokarohina ka tratra tany an-tranony io mpisoloky io. Nahitana vola sandoka nitentina 360 000 Ar tao aminy. Roa alina avokoa ireo vola ireo. Nentina natao famotorana io lehilahy io. Nogiazana avokoa ny vola sandoka miisa 18. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: