Hiala nenina amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny kandidà 10, anio, araka ny lahateny teny Antsonjombe, ny sabotsy teo. Hitondra taratasy miantso fandraisan’andraikitra amin’io minisitera io sy ny polisim-pirenena izy ireo. Narangaran’ireo kandidà koa fa hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo raha tsy misy ny vahaolana.
Mitaky ny handravana ireo Andrimpanjakana ny eo anivon’ny “Alliance pour la paix et la refondation nationale”. Nohitsin’izy ireo fa anisan’ny tokony horavana ny HCC satria Andrimpanjakana manitsakitsaka lalàna. Tsy eken’izy ireo koa ny fifidianana amin’ny 16 novambra fa ny fampihavanana sy ny fanovana Lalàmpanorenana aloha.
Nanao hetsika koa ny Diaspora any Ottawa Canada, ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo fa manohana tanteraka ny vondron’ireo kandidà mitarika ny tolona izy ireo. “Miray fo amin’ireo Malagasy aty an-tanindrazana izahay”, hoy izy ireo. Nitondra ny sainam-pirenena sy nilanja sora-baventy ireto Malagasy any am-pitandranomasina ireto.
Nanamafy ny fanamafisana fahaiza-manao ireo mpanao gazety, niaraka amin’ny Ceni sy ny Pnud. Niompana amin’ny fanamarinam-baovao sy ny fisorohana ny fanelezana vaovao tsy marina, mandritra ny vanim-potoan’ny fifidianana izany. Hisorohana ny korontana sy savorovoro no anton’ny fanofanana.