Logos Hope. Nigadona tao Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny Logos Hope, sambo famakiam-boky sy mivarotra boky lehibe indrindra, izay mitety firenena maro. Hatramin’ny 12 Novambra moa izy no hijanona ao an-toerana, ka azon’ny rehetra tsidihina. Maimaimpoana izany ho an’ny ankizy latsaky ny 12 taona.
Efa madiva hifarana ny « Festival des Livres Thrillers », andiany faharoa. Hetsika lehibe natokana hanasongadinana ireo haikanto maro samihafa somary mampatahotra. Anisan’ny naseho tao anatin’izany ireo sarina mpilalao sarimihetsika, teatra, lalao sy fifaninanana isan-karazany.
“Arts plastiques”. Hahazo tombony manokana ireo mpiangaly sy mpankafy “Arts plastiques”, amin’io volana novambra io. Maro ireo hetsika fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao iarahan’ireo fanta-daza eo amin’ity karazana haikanto ity. Misy ihany koa ny fampiofanana, toy ny hita eny amin’ny Maison Sociale des Arts Ambatovinaky.
« Novembre numérique ». Hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no hita mandritra ny “Novembre numérique », eny amin’ny IFM Analakely, manomboka ny 2 hatramin’ny 18 novambra 2023 izao. Anisan’izany ny fampirantiana sy atrikasa maro samihafa. Hahazo vahana manokana ao anatin’izao hetsika izao ny manodidina ny haitao ara-kajy mirindra.