SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Camp Nou, ny “El Classico 2023” any Espagne. Lavon’ny Real Madrid, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny FC Barcelone. Baolina tafiditr’i Bellingham, mpilalao Real Madrid no nitondra fandresena ho an’ireo Madri­lenina. Eo amin’ny laharana voalohany, araka izany, ny Real Madrid.
Lavon’ilay Anglisy mpikatroka ady totohondry, Tyson Fury, ilay kameroney, Francis N’Gannou. Maro tamin’ireo afrikanina tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, no nitsikera fa manomboka hita taratra ny halatra atao amin’i Francis. Raha ny fahitan’izy ireo, tokony ho an’i Francis N’Gannou ny fandresena.
Hotanterahina anio, ny fanolorana ny “Ballon d’Or 2023”. Miisa dimy izy ireo no hisafidianana amin’izany. Erling Haaland, Norvezianina mpilalao baolina kitra sy i Lionel Messi, mpanjakan’ny baolina kitra Arzantinina no anisan’ireo tena manana vato betsaka indrindra amin’izao fotoana izao. Maro ny milaza fa efa azon’i Messi ny ballon d’Or.

Partager sur: