INDRAY MIJERY

Hotanterahina anio sy rahampitso ny fandidiana ny areti-maso katarakta ao amin’ny CHU Anosiala, karakarain’ny hopitaly sy ny Pneumo-Aide. Aretina mpahazo ny zokiolona matetika ny katarakta. Tsiahivina fa vao tamin’ny tapa-bolana no nisy ny hetsika fanalana nify maimaimpoana teny an-toerana.

CSB miisa 32 ao amin’ny faritra Analanjirofo no nahazo ny anjara fanafody. Novatsiana fitaovana fitsapana ny aretin’ny fo sy ny lalandra ary appareil GenExpert kosa ny CHRD2. Ankoatra izany ny tavoahangy misy oxygène miisa 50 hanavotana ny ain’ny marary mila fitsaboana ao an-toerana.

Niofana momba ny tetikasa an-tsekoly “Mavitrika mianatra” ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny Zap ary ireo mpikambana ao amin’ny Feffi ao amin’ny Cisco ToliaraII sy ny Dren Atsimo Andrefana. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.

Notolorana lelavola mitentina 3 500 000 Ar avy ny lisea André Resampa Antsirabe, lisea Andohara­nofotsy ary ny lisea katolika Tsiroanomandidy. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Unesco sy ireo lisea misitraka ny fandaharanasa “Stem”. Ankoatra izay, nisitraka tohana ihany koa ireo CEG vitsivitsy.

Partager sur: