Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanandrinan’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao Lavaha Tsararano, kaominina Manambidala Vondrozo, ny sabotsy 28 oktobra teo. Nitrangana halatra omby tao amin’ny tanàn’Andranolava, kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo ny alakamisy 26 oktobra teo. Nanara-dia ny fokonolona ka tratra tao amoron-dranon’i Manampatra, ny dahalo iray resin-tory tao anaty kirihitra sy omby telo ny marain’ny sabotsy teo. Nentina nihazo ny borigadin’ny zandarimaria ao Vondrozo io dahalo io. Nifanehatra tampoka tamin’ny namany teny an-dalana anefa ny mpitandro filaminana. Nanao tongotra an-katoka sady nanampoaka basy ireo dahalo nikasa hanavotra io namany io. Namaly izany ny zandary. Nanararaotra nandositra araka izany ilay dahalo efa teny am-pelatanan’izy ireo. Nasaina nijanona ity farany saingy nandà. Vokany, maty voatifitra izy. Efa mpameri-keloka amin’ny halatra omby ao an-toerana ity lavo ity. Nigadra izy ny taona 2022. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo namany sy ny omby roa mbola tsy hita.
Tsiferana R.