Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Andranotapahana, Ambohidratrimo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra azy. Nahitana ratra ny faritry ny lohany. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana momba ny nahafaty io lehilahy.
Sekoly tsy miankina iray tao Ambondromifehy, Diego II anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anivorono Avaratra hotohoton’ny afo, afakomaly alina. Niredareda tampoka ny afo tamin’ny 11 ora alina noho ny antony tsy fantatra mazava. Niezaka hamehy izany ny manodidina saingy minitra vitsy dia nivadika ho lavenina ny trano sekoly.
Telo mianadahy mpangalatra moto voasambotry ny zandarimaria tao Ankadindravola, Talatamaty, afakomaly. Nangalariny ny moto iray ny marain’ny alakamisy 19 oktobra. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tompon’entana sady nanao fampahafantarana tamin’ny tambajotran-tserasera. Nantsoin’ireo mpangalatra anefa ny tompon’ny moto ary notakiany vola. Noraisim-potsiny izy telo miandahy.
Vehivavy roa voasambotry ny mpitandro filaminana tao Isaha Ramainandro, distrikan’i Faratsiho, ny herinandro lasa teo. Nandritra ny nahavoan’ny ambalavelona ireo tovovavy enina tao an-toerana, voatonotonona ho namosavy azy ireo izy roa vavy nosamborina ireto.