TARATRY ny KANTO

« Le Mystère d’Octobre ». Haseho an-tsehatra, anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny teatra “Le Mystère d’Octobre”, iarahana amin’ny Tropy mpiangaly teatra avy ao amin’ny Lycée Jules Ferry. Ity fampisehoana ity no entina hamaranana ny “Festival des Livres Thrillers”, andiany faharoa.

Kilalaon-tsaina. Ao anatin’ny fampiofanana sy fampianarana mahakasika ny Fanorona ny eny amin’ ny IKM Antsahavola amin’izao fotoana izao. Jean Marie Lalao na Zamabe, tompondaka farany eo amin’ ny lalao fanorona no mitondra ny fampianarana amin’ izany. Ankoatra ny filalaovana azy, ampianarina ihany koa ny tantara sy hevitra fonosiny.

“Projet DIHY”. Miditra amin’ny dingana faharoa ny “Projet Dihy”, eny amin’ny Maison sociale des arts Ambatovinaky. Teatra sy dihim-paritra ary dihy ankehitriny indray no ho hita mandritra izany. Rabearison Louis Zo sy Iarisoa Julie ary Nazaria Tooj no hitondra ny fampiofanana amin’izany.

“Trait d’union”. Mifarana anio ny fampirantiana “Trait d’union”, natao teny amin’ny Louvre Antani­narenina, nandritra ny volana oktobra. Fampirantiana nahitana haikanto mahakasika ny kolontsaina sy ny firenena malagasy. Malagasy mpahay kanto, miangaly ny hosodoko miisa 6 no niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana izany.

Partager sur: