Tokony hanana fahazarana manasa ny voankazo sy ny legioma hanina manta amin’ny rano sy savony ny rehetra hisorohana ny aretim-pivalanana mahazo vahana rehefa betsaka ny rotsakorana, hoy ny mpitsabo. Rano avy nampangotrahina koa no mety indrindra hosotroina, indrindra ho an’ny ankizy madinika.
Afaka manao fitiliana ny aretina tazo, Covid-19 ny CSB satria manana fitaovana ahafahana manao izany izy ireo. Maimaimpoana rahateo ny fanafody hitsaboana ireo aretina ireo. Manentana ny isam-batan’olona hanatona eny rehefa misy tsy fahasalamana, hisorohana ny fihomboan’ny aretina ka hanasarotra ny fitsaboana.
Ao anatin’ny fialantsasatry ny Toussaint ny mpianatra. Maro ireo mamonjy toeram-pialan-tsasatra. Mandray fepetra ny ATT ka nidina teny amin’ny zotra nasionaly Ampasampito nanao fitsirihana ireo fiara niainga mihazo an’i Moramanga, Vatomandry ary Mahanoro izay toerana be mpandeha.
Nisongadina nandritra ny fananganan-tsaina nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, ny ady atao amin’ny aretina ongobe. Hisy ny fizarana fanafody itsaboana izany hatao amin’ny faritra rehetra. Aretina azo avy amin’ny kankana ny ongobe ary azo tsaboina amin’ny fanafody voatokana ho amin’izany.