Nampiofanina mahakasika ny tetikasa an-tsekoly « Mavitrika mianatra » ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny ZAP ary ireo mpikambana ao amin’ny FEFFI ao amin’ny Cisco Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.
Nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Unesco sy ireo lycée misitraka ny fandaharanasa « Science Technology Enginering and Mathematics (STEM) » eny amin’ny ambaratonga faharoa, ny herinandro lasa teo. Notolorana vola 3 500 000 Ar avy ny lycée André Resampa Antsirabe, Andoharanofotsy, Nanisana, Andranonahoatra, lycée katolika Tsiroanomandidy ho fanatanterahana izany.
Nanaovana jery todika ny paikady fizarana lay misy odimoka mitohy eny anivon’ny fiarahamonina. Notanterahina tao Antsirabe izany, ny herinandro teo niaraka tamin’ireo mpiantsehatra. Mafana ny andro ary mamely ny kaikitry ny moka. Mbola maro ireo distrika mbola ahitana ny aretina tazomoka eto Madagasikara.
Ny 27 novambra hatramin’ny 15 desambra no fandraisana ny anaran’ireo olona maniry ny hisitraka fitsaboana maimaimpoana amin’ilay sambo Mercy Chips ao Toamasina, raha ny fanazavana nentin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Hatao ao amin’ny CHU Morafeno izany. Raisina manokana ireo misy katarakta, fivontosana amin’ny tarehy, bingo…