Fonjaben’Ambalatavoahangy : mitaraina ho tsy ampy sakafo ny voafonja

Mitaraina ho tsy ampy sa­kafo ny voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy – Toamasina. Fantatra izany taorian’ny fisiana voafonja iray naiditra hopitaly ao amin’ny hopitalibe Toamasina. Voa­laza fa tsy misy sakafo kanefa marary sady tsy misy mpanatitra sakafo, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ilay voafonja. « Voaheloka dimy taona am-ponja aho ary efa vita ny telo taona raha roa taona sisa. Marary anefa aho satria tsy misy sakafo hohanina ankoatra ny mangahazo maina vongany iray. Manga­taka fanampiana izahay tompoko », hoy ity voafonja ity tamina fikambanana iray mpanao asa soa tao amin’ny hopitaly. Vokany, notanterahin’ity filoham-pikambanana mpanao asa soa ity ny fangatahan’ilay voafonja. Maro ireo olona namaly ny antso taorian’ny fangatahana nataon’ilay voafonja. Voaantso teny anivon’ny sampandraharahan’ny fonja, ny alatsinainy 30 oktobra 2023 ny filohan’ilay fikambanana. Tsy vitan’izay fa nitohy tamin’ny fitorian’ny lehiben’ny fonja teny anivon’ny borigadin’ny zandary misahana ny heloka bevava izany. Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha ka nahazo fahafahana vonjimaika izy. Ny 12 desambra 2023 ho avy izao ny fotoam-pitsarana ity filoham-pikambanana mpanao asa soa ao Toamasina ity. Heloka anenjehana azy ny fanalam-baraka ny fiadidian’ny fonja, fanaparitahana sarina voafonja tsy nahazoa alalana ary fisolokiana. Nohama­fisin’ny voampanga fa fangatahan’ny olona mila fanampiana no nataony satria aina no vonjena, araka ny fiarovan-tenany teo anoloan’ny fampanoavana.

Sajo

Partager sur: