“World Jiu-jitsu Championship”. Hanainga anio i Fifaliana, ilay Malagasy mpikatroka nanao antso avo noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Misaotra ireo nanolo-tanana rehetra ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu. Ny alakamisy 9 novambra izy no hiakatra an-tsehatra any Abu Dhabi.
Anisan’ny lalao tena nahafinaritra omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fihaonana teo amin’i Harioly Nirina, avy any Atsinanana sy Randriamahasitraka Njava, avy any Atsimo Andrefana, ho an’ny sokajy lehilahy, U-14, taranja tenisy. Nivoaka mpandresy tamin’ny «super tie break», 11/9, i Njava. Marihina fa naharitra adiny roa ny lalao.
Ny talata 7 novambra ho avy izao, hotanterahina any San Siro, Milan, ny lalao miverina hifanandrinan’ny Milan AC Italie sy ny Paris Saint-Germain (PSG) France. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Tsiahivina fa mbola manalavela ny AC Milan.
Nahintsan’ny klioban’ny Saabrücken, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Allemagne, ny Bayern Munich. Lavon’ity klioba avy amin’ny diviziona fahatelo any Allemagne ity, tamin’ny isa 2 no ho 1, ry zareo Bavaroa. Marihina fa eo amin’ny laharana faha-15
amin’ny D3 ny Saabrücken.