Nofinofy tanteraka ho an’i Anisha. Rehareha kosa ho an’ny Malagasy manerana izao tontolo izao. Azony ny loka voalohany tamin’ilay fifaninanan-kira “Star Academy” andiany faha-10.
“Hanova ny fiaina-
ko iny anjoria iny…” Sady nandohalika no latsa-dranomaso i Anisha raha niteny izany, ny alin’ny asabotsy teo. Izay ny fihetseham-pony voalohany, vantany vao naheno fa izy no nibata ny amboara tamin’ilay fifaninanan-kira “Star Academy” andiany faha-10, nokarakarain’ny TF1. Ranomasom-pifaliana, ranomasom-pandresena satria tsy mora tokoa ny ady natrehany nandritra ny volana vitsivitsy tanatin’ity fifaninanana ity.
Nahazo ny loka voalohany mitentina 100.000 Euros (440.000.000 Ar), sy fandraisam-peo ny rakikirany voalohany ao amin’ny Sony Music izy.
Samy manana ny mpankafy sy mpanohana azy i Enola, Louis, Léa ary Anisha, izay niatrika ny dingana famaranana. Nizara roa izany, ka ny nihintsana tamin’ny tapany voalohany i Louis sy i Lea. “Tery dia tery ny salan’isa manelanelana ireo mpifaninana”, hoy i Nikos Aliagas, mpanentana ny fandaharana. Fotoana fohy ny nanavaon’ireo mpanaraka ny fandaharana tany Frantsa ny fifidianana, izay isaorana azy ireo satria nibata ny fandresena tamin’ny salan’isa 57% i Anisha, nanoloana an’i Enola izay nahazo ny 43%.
Tsy ho adinon’i Anisha mandrakizay ny feon’i Robbie Williams nanonona ny anarany…Ito farany ny ray mpiahy ny fandaharana, kanefa tamin’i Enola izy no nampiara-peo tamin’ilay hira “Angels”. “Saro-kenatra izy, kanefa rehefa mihira dia mivadika ho liona”, hoy i Robbie William. Nandona ny fon’ny maro kosa anefa ny nanaovan’i Anisha ny “Hallelujah” an’i Leonard Cohen, ka nanosika azy ho mpandresy!
Raha tsiahivina kely, 22 taona i Anisha ary teratany Malagasy. Nisy fotoana nanazavany ny fahazazany nolalovany teto an-drenivohitra, sy izay nolalovany teto. 6 taona teo izy izao no nipetraka tany Frantsa, manohy ny fiaranana amin’ny taranja “management”. Nanana olana tamin’ny fifandraisana aman’olona i Anisha, kanefa fotoana nandreseny izany ny fandraisany anjara tamin’ny “Star Academy”! Efa nanana ny hirany voalohany, “De là-haut” izy, niarahan’I Camélia Jordana, Vitaa ary Renaud Rebillaud nanatontosa. Ho voarakitra anatin’ny rakikiran’ny “Star Academy” andiany faha-10 io hirany io.
Reharehan’ny Malagasy maneran-tany
Niraradraraka ny fiarahabana an’i Ansiha avy amin’ireo Malagasy rehetra maneran-tany. Nankasitraka azy ny filoham-pirenena, ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera sy ireo mpiray tanindrazana rehetra nanatsaka fa nandresy noho ny fandresen’i Anisha. Antenain’ny Malagasy maneran-tany mba hisy hira Malagasy anatin’ny rakikirany. Efa nampanantena ny hitohizan’ny fampiaraham-peony amin’i Anisha i Claudio Capéo. Inoana fa mbola hiraradraraka izany amin’izy tompondaka izao. Mety hisy mpanakanto Malagasy ihany koa…
Zo ny Aina