Nanao fanambarana indray ny Seces sampana Antananarivo fa mitohy ny fitokonana satria tsy nisy ilay filankevitry ny governemanta nantenaina hamarana izany. Minisitra tokana sisa no mbola tsy nanao sonia ireo volavolana didim-panjakana dimy andrasan’ny Seces. “Aza atao takalonaina na anaovana fifaninanana sy kajikajy politika ny Seces”, hoy ny fanambarana.
Nihena ny tahan’ny aretina tazomoka tany amin’ireo Dren valo sy Cisco 14 niasana niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fizarana lay misy odimoka. Nisy atrikasa fanaovana jery todika ireo tetika amam-paika mahakasika ny fizarana lay misy odimoka maharitra eny amin’ny fiarahamonina tao Antsirabe.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny handefasana mpianatra hisitraka ny vatsim-pianarana, ao amin’ny “office de la formation professionnelle et de la promotion du travail (OFPPT)” ao Maroc, ary ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fampodiana ireo andiany teo aloha efa nahavita fiofanana.
Nisitraka toerana fanasan-damba vaovao ireo mponina ao amin’ny fokontany Manarintsoa Atsinanana. Tanjona ny hanatsara ny fanatanterahana ny asa andavanandro sy entina hanampiana ireo fotodrafitrasa izay efa naorina toy ny toerana fantsakana rano sy toeram- pidiovana. Nentanina ihany koa ny mponina hanaja ireo fotodrafitrasa iombonana.