VAOVAO TAMBATRA

Nampiofanina amin’ny fiompiana trondro ny tantsaha any amin’ny kaominina Ambodiriana Saha­fary, distrika Nosy Varika, faritra Vatovavy. Karazan-trondro tilapia no nampianarina azy ireo, mba ahafahan’ny mponina mivelo-tena sady mahavelona. Nisahana ny fiofanana ny fitantanam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Vatovavy.
Ahina ho lany tamingana ny 90% amin’ny varika eto amintsika, vokatry ny tsindry mahazo azy ireo. Anisan’ny nasongadin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Vina Marie-Orléa, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny varika, ny 27 oktobra teo. Miisa 112 ny karazana varika eto Madagasikara izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.
Homena sorabola fanampiny ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ho an’ny masoivohon’i Madaga­sikara any ivelany, mikasika ny fandaniam-bola samihafa (dépenses à caractère évaluatif), ho an’ny taona 2023. Hampiasana ny vola ny fividianana gazy, jiro sy rano, hofan-trano fiasana, hetra samihafa, ho an’ny mpiasa ivelan’ny masoivoho, sns.
Nankatoavin’ireo firenena miisa 10, mpikambana ao anatin’ny ny Fifanarahan’i Nairobi, ny fifanarahana GIZC (Gestion intégrée des zones côtières). Natao teto Madagasikara ny 11-12 septambra teo io fivoriana io, nandinihina ny fitantanana ny morontsiraka aty amin’ny ranomasimbe Indiana.

Partager sur: