Hita taratra ny traikefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Seho matihanina, tsy latsa-danja tamin’ny fanaon’ny tarika Mikea tany ivelany ny seho natolotr’i Théo Rakotovao sy ny tariny, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nihoatra betsaka aza ny natolotra, noho ny fitia nifamaly teo amin’ireo teny an-tsehatra sy ny mpijery. Vitsivitsy no namaly ny antso, saingy ireo tena mpankafy kosa no tonga tao, ka toa vetivety dia vita ireo hira nalahatra.
Satria seho teto an-tanindrazana, nampifandimbiasin-dry zalahy ireo hira fanaon’ny tarika Mikea sy ireo fanao rehetra Théo Rakotovao. Ny voalohany dia ireo hira nosokajiana ho “world music”, natao hamidy eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Nampalaza ny tarika Mikea ka nahatonga azy ireo hitety an’izao tontolo izao sy nandray anjara tamin’ireo hetsika malaza marobe izany. Ny faharoa kosa dia ireo voasokajy ho “variété”, nataon’i Théo Rakotovao kokoa ho an’ny mpankafy eto an-toerana. Na izany aza, tsy nanavaka ireo mpankafy tonga nijery, fa niaraha-nihira avokoa ry “Mba nanigno”, “Impiry impiry, “Teako iha”, “Zao natsanganao”, sns.
Anisan’ny fotoana nafana indrindra tamin’ny fiarahana ny niakaran’i Parson Jacques an-tsehatra. Mpiray tsikombakomba tamin’i Théo Rakotovao hatramin’izay, ary anisan’ny naverin’ny tarika indroa ny “Mivoleza”. Natao vokatry ny fo tsy nisy famerenana kosa ny “Somariaka”, izay nahafaly ny mpijery. Mbola vahiny tsy nampoizina ny fiakaran’i Dô Rajohnson teny an-tsehatra, nampiara-peo tamin’i Théo tamn’ilay hira “Aoka tsy ho tezitra”. Mpanakanto samy manana feo miavaka, ka mandona ny atifanahin’ireo tena tia mozika.
Tsy i Théo irery no nanao ny fampisehoana, fa nitondra be ihany koa ireo mpitendry mpanaraka azy hatramin’izay. I Mbossa teo amin’ny gitara, Dô teo amin’ny amponga maroanaka, Faly teo amin’ny vata maroafitsoka ary i Johnny Bass teo amin’ny gitara beso. Ity farany izay nahazo sitraka manokana tamin’ny mpijery, naneho ny talentany amin’ny fitendrena ny gitara marani-peo tamin’ny endriny maro.
Zo ny Aina