Nitondra ny “Rohin-kalo” an-tsehatra ry Hanitra olive, Nirihaja, Soambinintsoa. Notanterahina tetsy amin’ny CGM Analakely, ny asabotsy 26 novambra teo izany, nanomboka amin’ny telo ora tolakandro izany. Fahombiazana ny seho “Rohin-kalo”… Nahasarika mpankafy literatiora maro, ary niavaka ny rindran-tsehatra sy ny herim-panehoana tamin’ity fampisehoana ity.
Ankoatra ny seho an-tsehatra dia nisy koa ny boky nanamarihan’izy ireo izany, izay ahitana tononkalo, riankalo, sombintantara, sombintsoratra …. Araka izany, saika hita ao anatin’ny “Rohin-kalo” ireo karazana haisoratra. Miavaka ny seho satria vehivavy telo efa anaty fahamatorana no hampifandroy ny kalo tamin’ity indray mitoraka ity, ary nandritra izany, notronin’ny mpanarotra hafa.
Ankoatra ny antsantononkalo, nisy ny fampisehoana dihy mirindra nataon’ny Soadihy, nanaingoana ny seho. Tsy hijanona eo fa hitohy hatrany ny seho ataon’ny Faribolana Sandratra amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy…
Narilala