Jiolahy fito nirongo basy Kalachnikov sy Mass 36 nanao fanamiana miaramila no tompon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsevakely Atsimo, Marovazaha, Anjozorobe, ny alakamisy hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Naharitra adiny iray ny fanafihan’ireo jiolahy raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy nifandrenesana ny poa-basy tamin’ny alalan’ny tifi-danitra. Tokantrano telo indray voaroba ka nentin’ireo jiolahy an-keriny ny olona roa. Tsy vitan’izay fa lasan’ireo mpanafika koa ny entana maro tao an-tranon’ireo voatafika, toy ny vary fotsy tamin’ny gony. Naratra mafy nandritra ny fifandonana ny raim-pianakaviana iray vadin’ilay renim-pianakaviana lasan’ireo dahalo. Nambaran’ireo niharam-boina fa manodidina ny 30 lahy ireo jiolahy nanafika fa ny fito lahy no nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika sady nitifitra nampihorohoro tao an-tanàna. Mandry andriran’antsy ny mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe amin’izao fotoana izao, amin’ny afitsoky ny malaso. Tsy vitan’ny mandroba fa sady maka an-keriny ihany koa. Efa tonga tao an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana.
J.C