FANTINA sy FINTINA

“Tsy nitondra antsika ho aiza ny korontana sy ny ady”, hoy Ratsiraka Sophie, avy amin’ny Ratsirakista, omaly. Nanteriny fa efa hita ny voka-dratsin’ireo tranga niseho rehetra teo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny isam-batan’olona.

Tsy ara-dalàna ary tsy nahazoana alalana ny hetsika fidinana an-dalambe etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, omaly..

“Nisy zandary tonga teny Ambalavao Isotry, nandrahona ireo Antandroy mpivarotra vy tsy handray anjara amin’ny hetsika eny amin’ny 13 mey, anio”, hoy ny fanambaran’ny fikambanan’ny foko Betsileo, Antesaka, Antandroy, Antanosy, Makoa, omaly.

Hentitra ny Prefektiora fa hihamafy kokoa ny fiarovan’ny Emmo/Reg ny etsy Analakely sy ny manodidina, anio. “Tsy nahazoana alalana ny hetsika hataon’ireo kandidà. Efa voarara ka efa nivonona amin’ ny fepetra horaisina izahay”, hoy izy.

Partager sur: