Tsy raikitra ny “Top Gasy”. Fampisehoana goavana nokasaina hotontosaina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ity. Noho ny toe-draharaham-pirenena no voalazan’ny mpikarakara fa nanafoanana izany. Tombanana kosa ho nanampy trotraka ny tsy fahafahan’ireo mpanakanto, izay manao fampielezan-kevitra ny ankamaroany. Saika ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana mantsy no nalahatry ny mpikarakara
“Miss&Mister malagasy”. Tanterahina anio, ao amin’ny Millénaire à Savigny-le-Temple, Frantsa, ny fifaninanana «Miss&Mister malagasy». Fifaninanana natokana ho an’ny Malagasy tanora, monina ao Eoropa. Tovolahy sy tovovavy miisa 15 avy no mifaninana izay handrombaka izany anaram-boninahitra izany.
“Atrikasa Scratch”. Tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, manomboka ny 6, 7 ary 10 novambra 2023, ny atrikasa “Scratch”, hetsika tafiditra ao anatin’ ny “Novembre numerique” eny amin’ny IFM. Fampahafantarana sy fampianarana ny eo amin’ny tontolon’ ny fikosehina kapila no ampiofaninan ao anatin’izany atrikasa izany.
Fampirantiana haikanto. Manomboka miverina ny fahavitrihan’ny mpahay kanto isan-karazany maneho ny haikantony. Taratra izany ny hamaroan’ ireo fampirantiana hita eny amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina maro samihafa. Toy ny hosodoko, sary pika, haikanto ankehitriny.