Tsara fanombohana ny ekipan’ny kaominina Antananarivo renivohitra Uscafoot, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Tsaramandroso Formation Boeny, teo amin’ny andro faharoa, ho an’ny kaonferansy atsimo. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja Alarobia, ny asabotsy lasa teo. Tsy nahatohitra ny Uscafoot ry Philemon sy i Suarez. Notsindrian’ny ekipan’Iarivo, ny 90 mn nilalaovana. Vao 13 minitra nanombohana, nanokatra ny isa tamin’ny “penalty” i Blanc. Mbola nampian’i Feldman, izany teo amin’ny minitra faha-19 sy faha-41. Isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Tsy nahitana fiovana firy ny tapa-potoana faharoa, izay tsy nisy baolina maty intsony.
Lalao tena nandrasan’ny maro ny an’ny Ajesaia Bongolava sy Fosa Junior Boeny. Resin-dry Dax, mpilalao an’ny Fosa Jr, tamin’ny isa 2 no ho 0, ry Rojo Be. Niady ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy nitranga ny fahaiza-manaon’ ny Fosa Jr, teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Tsy mbola afa-bela tamin’ny ekipan’i Boeny indray izany ny boaikelin’i Bongolava.
Fitia (Mpianatra Asa)
Toy izao ireo vokatra hafa
Fc Mama (1) – (1) 3FB Toliara
AS Fanalamanaga (3) – (0) Asa Diana (Forfait)
CFFA (2) – (2) Disciple FC
Cosfa (2) – (0) Tia Kitra
Zanakala FC (1) – (3) Dato FC
Jet Kintana (0) – (0) Elgeco Plus