Nahazo fanamboarana “glace alimentaire” i Maevatanana, tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Afaka mamokatra gilasy 10 isa isan’ora ny milina ka milanja 12 kg ny bara gilasy iray. Hisitraka tombontsoa amin’izany ireo mpanjono sy mpikirakira hazandrano ary ny mpivarotra entana mila tehirizina anaty vata fampangatsiahana.
Hisy ny paikady hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Vina napetraka ny “Malagasy misakafo tsara, mahasalama, ho an’ny rehetra sady maharitra amin’ny taona 2023”. Hanatrarana izany ny fananana paikady mazava amin’ny famokarana, ny lalam-barotra ary ny fanjifana maharitra. Natao ny 2 novambra teo ny atrikasa momba izany.
Ambolena zavamaniry, toy ny lalanda, ny laoasy ary akao any Belalanda, Toliara. Antony, hoentina miaro amin’ny fikisahan’ny dongom-pasika entin’ny rivotra, ka lasa manototra ny tany. Hanatanterahana izany ny tetikasa “Mionjo”, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana.
Handray anjara amin’ny salon “WTM London 2023” ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB), ny 6 ka hatramin’ny 8 novambra izao, ao amin’ny ExCel Londres. Tanjona ny hampiroborobo ny fizahantany ao Nosy Be. Hampahafantatra ireo tolotra samihafa sy hampiranty ireo mampiavaka ny faritra ny ORTNB.