Sambany eo amin’ny tantaran’ny Judo malagasy ny fandraisana anjaran’ny judokas jamba, ny fifaninanana hahazoana tapakila hiatrika Lalao Olympika. Hihazo an’i Kodokan Japan, ny 6 desambra izao, hiatrika ny “Grand Tournoi International” natokana ho an’ny mpikatroka manana olana ara-pahitana na jamba, Rakotoarivelo Nampoina Daniel, judokas jamba. Mbola tsy ampy anefa ny hoenti-manana ahafahan’ity atleta malagasy ity hiatrika izany fifaninanana izany. Efa vonona ny ampahany amin’ny vola tokony hoentina, izay mitotaly 12.000.000 ariary, saingy mbola mila 10.000.000 ariary anefa satria tsy maintsy misy mpanazatra miaraka amin’i Nampoina mihazo an’i Japan. Manao antso avo, araka izany, i Nampoina sy ny Maitre Ranjatoson Antsa, “Directeur de Judo pour les handicapés” ary ny federasiona malagasin’ny Judo, ho an’ ny malala-tanana sy ny mpitondra fanjakana, mba hanohana an’i Nampoina amin’izao olana sedrainy izao. Faniriany ny hitondra avo an’i Madagasikara, indrindra hampiseho fa mahavita zavatra izy na dia tsy mahita aza. Efa niomana fotoana ela niaraka tamin’ny Sensei Antsa i Nampoina ary vonona hiatrika izany fifaninanana lehibe izany.
Ankoatra ny fakana tapakila ho amin’ny JO 2024 hatao any Paris, dingana iray hahafahan’i Madagasikara hiditra ao amin’ny IBSA (International Blind Sports Association) ihany koa izao fandraisana anjaran’i Nampoina any Japan izao.
Mi.Raz