Hevi-potsy, hevi-petsy…

 

Amin’ny Malagasy, tsy tsara loatra ny fotsy afa-tsy amin’ny hoe fotsy nify, fotsy volo, fotsy kotro (tany lonaka), vary fotsy… Taty aoriana, niampy ny hoe tandindon’ny fahadiovana ny fotsy. Saika hafahafa na ratsy ny hoe fotsy angola, fotsy fanahy, fotsy feo, fotsy rora, fotsy tsinay, mandry fotsy, fotsy maso, fotsy varavarana, fotsy hevitra na hevi-potsy… Manao ahoana ny hetsika fotsy amin’izao? Tsy zava-baovao fa efa nivemberimberina: na hahombiazana na fahavoazana, na tonga hatramin’ny farany na raraka an-dalana. Ho hita eo fa efa tsy mandeha amim-pilaminana izao ny raharaha. Na hanao amboletra na letrezana amin’izay efa fantatra izao fa voarara.
Tapi-dalan-kaleha? Raha tsy izany, mandia tany naleha toy ny fanoron-dratsy: tsy mahita lalan-kafa na lalam-baovao amin’izay atao. Za-dratsy na taman-dratsy. Nefa hafa ny anio sy ny omaly… Na tsy fantatra hatrany am-piaingana na tany am-boalohany izay aleha sy atao, fa nanaovana kitsapatsapa na fahoany fahoany. Ho tonga hatraiza? Tsy inona fa hevi-potsy. Efa misy ny mpanao politika miaiky fa ho lany andro eo, hono, ary ho reraka ny vahoaka, fa aleo manangana “governemanta” an-dalambe. Avy eo, manatitra minisitra isaky ny departemanta. Izany no hoe amim-pilaminana? Fanonganam-panjakana fotsiny izao fa tsy fanadiovana no hoe atao, vao mainka fandotoana sy fanakorontanana…
Politika io, ady fiady: na mahavoa na voa roa. Miankina amin’ny fifandanjan-kery hatrany: aiza ho aiza? Na hoe mety mbola ho azo amin’ny hevi-potsy na hevi-petsy ny maro anisa… Eo ny vahoaka mitsara dieny izao: ho aiza amin’ny fanapahan-kevitra na izay hatao? Indrindra amin’ny fifidianana… Tsy bodo na bado ny vahoaka fa tompon’ny teny farany, masi-mandidy, andriamanjaka.

R. Nd.

Partager sur: