Notanterahina, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’nyAntenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, voatendry filoham-panjakana sy ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, Rabemananjara Nicolas. Hisahana ny fitantanan-draharaha ankapobeny ity mpisolo toerana etsy Anosikely ity.
Hihetsika hamaky ny kianjan’ny 13 mey koa ny avy amin’ny RMDM manerana ny Nosy, araka ny nambaran’izy ireo, tetsy Ampandrana, omaly. Tanjona ny ahafahana maneho hevitra, ho fampahafantarana an’izao tontolo izao ny tsy fanarahan-dalàna sy ny mizana tsindrin’ila eto amin’ny tany sy ny firenena.
Fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana indrindra amin’ny tsy fahafahana maneho hevitra, araka ny fanambaran’ny mpisolovava eo anivon’ny “Manda ho an’ny lalàna sy ny demokrasia – MLD”. “Manana antony politika ny fampiasan-kery. Mahavoasazy asa an-terivozona izany”, hoy izy ireo.