Rabenandrasana Lalao – Boky: nivoaka ny « Tantaran’i Madagasikara »

«Diary ho an’ny mpianatra”. “Raha nitsidika ny Rovan’ i Manjakamiadana ny mpanoratra ity boky ity, ny 15 desambra 2011, dia ontsa nahita ireo mpianatra marobe nifanosika nandika ny tantaram-pirenena naranty tao. Tapa-kevitra fa hanangona sy hanovo ary handrakitra izany ho bokikely ho an’ny mpianatra sy izay liana amin’ny tantaram-pirenena aho. Mahatsiaro ho manana adidy izahay hampahafantatra amin’ny takila vitsivitsy ny tantaran’ity firenena ity, ka amin’ny alalan’ny daty no anehoana izany”, hoy Ra­benandrasana Lalao Fran­çois. Tontosa tokoa ny nampanantenainy ka nivoaka ny boky «Tantaran’i Madagasi­kara». «Diary ho an’ny mpianatra». Mizara 4 ny boky. 1- Ny niavian’ny mponina sy ny faka nipoiran’ny teny teto Madagasikara. 2- Ny vanim-potoana faha mpanjaka. 3- Ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. 4- Ny niverenan’ny fahaleovantena, hatreo amin’ny Repoblika faha-4. Nante­riny fa: “Ny firenena rehetra maneran-tany, samy manana ny tantarany avokoa. Zava-dehibe tokoa ny fahalalana ny tantaram-pirenena, fa miteraka hambom-po sy fitiavan-tanindrazana. Ny olona tsy rototra amin’ny tantara dia azo sokajina ho anisan’ny tsy manam-pahavononana hanatsara ny hoaviny. Ilaina ny manao dian-tanana ka sady mitodika ny lasa no mibanjina ny hoavy”, hoy hatrany Ra­benandrasana Lalao Fran­çois. Nanteriny fa “tsy ny fisamborana ny an’ny hafa ho takalon’ny an’ny tena no fandrosoana fa ny fanatsarana ny zava-nisy hivoatra hatrany”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: