Orinasa Smmec: masoivoho fahafito ny eny Anosimasina Itaosy

Miezaka manakaiky ny mpikambana hatrany ny orinasa Smmec. Mi­sokatra ny ma­soivoho vaovao, fa­hafito, eny Anosimasina Itaosy, mi­tondra ny anarana hoe « masoivoho Smmec Fanavotana ». Misa­hana ny mpikambana eny Itaosy, Ampitata­fika, Imerin­tsiatosika, Tanjombato, Ando­haranofotsy ary Alasora.
Toy ny any amin’ny masoivoho manerana ny Nosy, azo sitrahana ao amin’ny Smmec Fanavotana ny tolotra rehetra, toy ny fanaovana tahiry, ny fanabeazana ara-bola, ny findramam-bola ary ny fiahiana ara-pahasalamana. Tsiahivina fa azo atao eny amin’ny masoivoho Smmec rehetra ny mametraka sy maka vola. Mampiavaka azy ny saram-pitantanana ambany, 1 000 Ar isam-bolana. Mahatratra 6,5% kosa ny zanabola ho an’ny fanaovana tahiry. Misy ny tahiry ho an’ny ankizy sy tanora, ny ho an’ny tetikasa, ny tsinjo fahanterana.
Afaka misitraka ny fiahiana ara-pahasalamana ny mpikambana raha vao manokatra kaonty, andoavana latsakemboka 30 000 Ar isan-taona. Azo antonina ny masoivoho eny Anosimasina, miaraka amin’ny kopia karapanondro, sary tapaka, fanamarinam-ponenana ary ny renivola sy ny saram-pidirana.
Nitokana ity masoivoho vaovao ity ny ben’ny Tanànan’ ny kaominina Bemasoandro, ny lehiben’ny distri­kan’Atsi­mon­drano, ny sefo fokontany Anosimasina ary olo-manan-kaja maro niaraka tamin’ny solontenan’ny mponina.

Njaka A.

Partager sur: