Tafatsangana ny drafi-panarenana ny orinasa Madagascar Airlines manoloana ny olana goavana sedrainy sy ny fatiantoka aman-tapitrisa maro eo anivon’ny kaompania.
Nofoanana avokoa ny sidina iraisam-pirenena sahanin’ny Madagascar Airlines noho ny tsy fahafahany hiantoka ny zotra sy ny olana samihafa sedrain’ ny kaompania. Manoloana izany natsangana ny drafi-panarenana ny orinasa, « Phoenix 2030 » iandrasana fankatoavana amin’ny tomponandraikitra. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny toe-draharaha rehetra sy hamahana ny olana sedrain’ity orinasa ity ao anatin’ny roa taona. Hisy ny fivoriana hiarahana amin’ireo mpamatsy vola samihafa hamolavolana ireo paikady hanatanterahana izany. Manana olana ara-bola hatramin’ny volana avrily 2022 ny kaompania. Nahatratra 25 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny orinasa nandritra ny sivy volana niasany ny taona 2022. Tafakatra hatrany amin’ny 35 tapitrisa dolara kosa ny trosan’ny orinasa ankehitriny. “Antony nahatonga izao fatiantoka goavana izao ny fampiharana ny « location d’avion avec équipage et maintenance inclus (ACMI ) », izany hoe, fanofana fiaramanidina sy mpanamory ary ny kojakoja mifanaraka amin’izany nandritra ny 18 volana na eo aza ny fananantsika ireo rehetra ireo. Manampy trotraka ihany koa ny fahalafosan’ny “kérosène”. Noho izany, mitentina 2,8 tapitrisa dolara isam-bolana ny fatiantoky ny orinasa”, hoy ny tale Jeneralin’i Madagascar Airlines, omaly, tetsy Antanimena. Noho izany, niteraka tsy fahatomombanana samihafa ny toe-draharaha.
Vina
Tanjona hapetraka ao anatin’ny Phoenix 2030 ny hamerenena ny kalitao sy ny tolotry ny orinasa. Harenina ihany koa ireo fiaramanidina simba, indrindra ny ATR izay kasaina ampiasaina betsaka kokoa. Handray an-tanana ny fitadiavana toerana amina kaompania hafa kosa ny Madagascar Airlines ho an’ireo mpanjifa efa namandrika toerana sy nividy tapakila ho an’ny sidina iraisam-pirenena. Hohaverina kosa ny vidina tapakila ho famandrihana sidina aorian’ny 15 novambra. Tsiahivina fa voafidy hisolo toerana an-dRakotomanga Rinah, nametra-pialana amin’ny maha filohan’ny filankevi-pitantanana ny orinasa Rakotondraibe Mamy.
Henintsoa Hani