International Multi-boxe : nifampizarana ny fandresena

Tontosa tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ny “Gala international Multi-boxe”, andiany voalohany. Fifaninanana nokarakarain’ny federation malgache de savate boxe française. Nifampizaran’ny Malagasy sy ry zareo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy ny fandresena, teo amin’ny vokatra.
Ho an’ny savate boxe, sokajy -63,5 kg, lehilahy, nisongadina ilay renioney, i Darren, rehefa nandresy an’i Roberto Malagasy mpikatroka. An’isa no nibatan’i Darren ny amboara taorian’ny 2 mn intelo miditra. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy teo amin’ny fidirana voalohany sy faharoa saingy nanantombo tamin’ny fiantefan’ny daka sy totohondry ilay renioney. Nahavita valin’ady i Avotra, teo amin’ny “assaut” – 60 kg lehilahy ihany. Resiny an’isa ilay kaomorianina, Brahim. Nandresy tsy niady ny Malagasy tamin’ny alalan’i Kennedy, – 63, 5 kg rehefa tsy nisy mpifanandrina taminy.
Tsiahivina fa fanomanantenan’ny Malagasy mpikatroka, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao ny volana desambra ho avy izao, ity fifaninanana ity.

Tompondaka

Partager sur: