Hiditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, handraisan’i Madagasikara anjara any Abu Dhabi. Malagasy atleta faha-6 amin’ireo mpandray anjara i Zo Aina, izay hiditra an-tsehatra anio.
Taorian’i Nofy, i Adriano, i Christian, i Tafita, i Rajo ary i Linjo, anjaran’i Zo Aina indray ny hifaninana ho amin’ny anio. Malagasy mpikatroka, sokajy Master, 85 kg no misy azy izay hahitana mpifaninana 18 mirahalahy. Kalaza lahy, i Ben Wyard (United Kingdom) izay manana isa 2 400 no miandry azy, eo amin’ny dingana ampahavalon-dalana. I Taavi Vaigla, avy any Estonia na ilay teratany Portugey, i Kevin Sampaio kosa no miandry an’i Zo Aina amin’ny ampahefa-dalana, raha toa ka maharesy amin’ny ampahavalon-dalana izy.
Ho an’ny omaly, ny vehivavy malagasy mpikatroka faharoa, i Linjo no nandray anjara, teo amin’ny sokajy Master 55 kg, tepana Viollette. Resy teo amin’ny ady voalohany nataony, dingana ampahefa-dalana ity Malagasy solontena ity. Ilay mpikatroka vahiny avy any Koweit no nifanandrina taminy nandritra izany. Tsiahivina, fifanintsanana avy hatrany avokoa no natrehan’ireto Malagasy mpikatroka, sokajy “Jeunes”, “Amateurs” ary “Masters” ireto. Izany hoe, vao resy avy hatrany dia raraka.
Araka ny fandaharam-potoana, Malagasy miisa 5 indray no hifaninana ho amin’ ny rahampitso ao Abu Dhabi, ahitana an’i Andy, i Diary, i Fifaliana, i Tojo ary i Tsinjo. Eo amin’ny sokajy “Profesionnels” avokoa no misy azy 5 mirahalahy ireo. Tsy mitovy ny tamin’ireo sokajy 3 hafa ireo ity sokajy iray ity, satria afaka manao “repêchage”, ny atleta iray rehefa resy. Izany hoe, manana vintana ireo mpikatroka mifaninana ao amin’ny sokajy “Professionnels”.
Mi.Raz