Amin’izao faha-18 taonan’ ny ekipan’ny FC Copain izao, hikarakara fifaninanam-pokotany izy ireo. Raha ny fanazavana nataon-dRakotondramiara Hasina, filohan’ity klioba ity, omaly, teny Alarobia. Hotolorana omby mifahy sy amboara ary “maillot” izay tompondaka amin’ity andiany voalohany ity. Ondry kosa ny an’ny faharoa. Ny Airtel Madagascar no hiara-hiasa amin’izy ireo amin’ny fikarakarana ny fifaninanana. Hoferana ho 64 ny ekipa mpandray anjara, ary mbola misokatra ny fisoratana anarana, araka ny nambaran’ny lehiben’ity klioba ity. Fifanintsanana afaka hilalaovan’ny rehetra ity hatao ity, “open”, lalaovin’olona fito. Marihina fa mahazo milalao ireo mpilalao matihanina. Hanomboka ny alahady ho avy izao ny fifanintsanana ary hifarana ny volana febroary ho avy izao, eny Alarobia. Tanjon’ny mpikarakara ny hitaizana ny tanora amin’ny fanatanjahantena. Tsara marihina fa tsy mandray anjara amin’ity lalao ity, ny FC Copain. Ankoatra izay, maro ireo mpilalao nivoaka tao amin’ity kliobam-pokotany ity. Anisan’ izany ry Rinjala, Malagasy milalao any Suisse, i Tsiry kely, Malagasy mpilalao Barea. I Feno, vodilaharan’ny Barea fahiny no mpanazatran’izy ireo.
Fitia Randria