Hifamotoana etsy Mahamasina indray, anio, ny Vondron’ireo kandidà 10 sy ireo mpiara-dia aminy. Hanomboka amin’ny 11 ora izany. Tsy voafaritra ny mety ho lalan’izy ireo amin’izany. Tsiahivina fa niato ny hetsika sy ny fidinana an-dalambe, omaly, taorian’ny nikasan’izy ireo hiditra ny kianjan’ny 13 mey ny alatsinainy teo.
Tokony hanelanelana izao toe-draharaha izao ny raiamandreny ara-panahy sy ny Foloalindahy, araka ny fanehoan-kevitry ny tale jeneralin’ny prezidansa, fony fitondrana amiraly Ratsiraka, Andrialemirovason, omaly. Nambarany fa tsy mbola tomombana ihany koa ny fikirakirana ny fifidianana ka atao amboletra ny fanatontosana izany raha hisy tokoa.
Miantso ireo kandidà 13 ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, mba hiroso amin’ny fifampidinihana sy fifampihainoana hikaroham-bahaolana, manoloana ny tsy fitovian-kevitra. Hatao eny Tsimbazaza, anio, manomboka amin’ny 11 ora izany. Tokony handefa solontena roa ny kandidà tsy ho afaka amin’izany, araka ny fanambarany.