Maromaro ny lalana harenina, ka namoahan’ny fanjakana tetibola. Hamboarina ny lavaka any amin’ny RN4, ny RN6, ny RN7, ny RN34, ny RN27, ny RN18, ny RN15, ny RN25, ny RN3A sy RN3B, ny RN41, ny RN20, ny RN12, ny lalana Ambatry-Fotadrevo-Bekily. Hokojakojaina koa ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mananjary sy i Sambava.
Mirefy 2,6 km ny lalana hokojakojaina ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka. Anisan’ny voakasik’izany ny mamakivaky ny fokontany Madiotsifafana, Avaradrova ary Antsamarova. Vinavinaina ho vitaina ao anatin’ny dimy volana ny asa. Mamatsy vola ny hanaovana azy ny hetra voaangona avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR).
Nidina ny vidin’ny menaka avy amin’ny soja anaty tavoahangy nanomboka ny herinandro lasa teo. Lasa 9 000 Ar ny litatra raha 9 800 Ar teo aloha. Tsy nihetsika ho 9 700 Ar kosa ny menaka avy amin’ny tanamasoandro (tournesol) vita eto an-toerana, ary 10 600 Ar ny marika “sunny”, hafarana avy any ivelany.
Hiara-hiasa i Madagasikara sy i Korea amin’ ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Misokatra ihany koa ny fiaraha-miasan’ny mpamonjy voina koreana sy malagasy. Tonga teto an-toerana nihaona tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny delegasiona koreana.