Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanafihana nitranga tao amin’ny tokantranon’ny vadin’ny minisitry ny Serasera teo aloha, omaly hariva, teny Ambatolampy Tsimahafotsy. Niantso vonjy io lehilahy io fa misy olona mikasa hiditra an-keriny tao an-tranony. Nanakana ireto farany tsy hiditra ny efitrano ny lasibatra.
Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR sy ny CSP1 teo Analakely, ny alin’ny alahady teo, ireo jiolahy roa, raindahiny amin’ny fanaovana sinto-mahery. Olon-tsotra hamonjy fodiana no nendahin’ireto jiolahy ireto. Antsy lavalela no hita teny am-pelatanan’izy ireo. Nifanehatra tamin’ny polisy anefa ry zalahy ka raikitra teo ny fifanjevoana. Rotiky ny bala izy roa lahy mpanao fanafihana.
Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana ny fandikan-dalàna eo anivon’ny zandarimaria momba ny fipoahana voalaza fa grenady tao amin’ny Toby Ratsimandrava, afakomaly alina. Nisy nanipy avy aty ivelany io fitaovam-piadiana io ka fiara roa nipetraka tao amin’ny Toby no nipoahan’izany. Na teo aza anefa tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Raim-pianakaviana iray naratra voatsatok’antsy teny Ampefiloha, omaly hariva. Avy niasa ka hamonjy fodiana izy no nifanehatra tamin’ireo jiolahy roa nitondra antsilava. Tsy nisy resaka fa nobedain’ireo olon-dratsy avy hatrany izy. Lasan’ireo mpanendaka ny finday niaraka tamin’ny vola 2 000Ar tany am-paosiny. Tsatok’antsy teo amin’ny takibany no nihatra taminy.