Niakatra 8,2 % ny vidin-tsakafo tao anatin’ny herintaona (septambra 2022-septambra 2023). Nahitam-piakarana 11,8% ny vidim-bary raha niakatra 10,2% ny vidin’ny enta-madinika (PPN). Nahitam-piakarana 10,2 % ihany koa ireo zava-pisotro tsy misy alikaola raha toa ka 7,3% kosa ny taham-piakarana ho an’ny fifandraisan-davitra.
Hamokatra kitay vita amin’ny akofam-bary 20t isam-bolana ny orinasa malagasy ao Tsiroanomandidy. Hividy kitay akofa 20t isam-bolana kosa ny orinasa iray ao Antsirabe. Mila ampitomboina ny famokaran’ny orinasa hamaliana ny filan’ny mpanjifa. Hiara-hiasa amin’ny orinasa japoney ny minisitera ary hanafatra milina vaovao.
Hamokatra akoho gasy hatrany amin’ny 4 000 isam-bolana i Behenjy taorian’ny tohana azon’ny mpiompy. Nisy ny tantsoroka ho an’ny fikambanana tantsaha tany an-toerana ho an’ny fampandrosoana ny fiompiana. Mpiompy akoho gasy rahateo ny 80%
amin’ny tokantranona tantsaha eto Madagasikara.
Nahazo salotra vonjy aina an-dranomasina 27 isa sy kitapo enti-mihaza miisa enina ireo mpanjono matihanina ao Ivovona, kaominina Ramena-Antsiranana II. Nampahafantarina an’ireo mpanjono ny lalàna mifehy ny jono. Nampahatsiahivina azy ireo koa ny tokony hanajana ny fotoam-pikatonan’ny jono oratsimba, drakaka ary mahaloky.