SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 11 sy ny 12 novambra ho avy izao, eo amin’ny Lapan’ny tanàna any Toamasina ny fifaninanana “Game on 3×3”. Marihina fa ity lalao ity, hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny basikety sy ny ligy rezionaly Atsinanana ary ny kaominina any an-toerana manatanteraka.
Notanterahina nanomboka omaly, tany Toamasina, ny fitiliana ireo Malagasy mpilalao zandriny, amin’ny taranja baolina kitra. Raha ny vaovao voaray, nisy ny fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Fana­tan­jahantena sy ny tanora (MJS) sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny mpikarakara.
Natao ny talata teo ny andro fahefatra ny vondrona «F» amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, «Ligue des Champions 2024». Lavon’ny AC Milan, ekipa italianina, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Paris Saint Germain FC, klioba frantsay, tao amin’ny kianjan’ ny San Siro.
Camavinga, Frantsay mpilalao ao amin’ny Real Madrid, nanavao ny fifanarahany ao amin’ity klioba espaniola ity hatramin’ny taona 2029. Marihina fa anisan’ireo mpilalao tanora misongadina amin’izao ny tenany. 20 taona izao i Camavinga ary efa mandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay, Les Bleus.

Partager sur: