FANTINA sy FINTINA

Tsy misy Malagasy tia korontana intsony, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanorina ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul. Nohitsiny fa tsy tokony handeha eny amin’ny kianja 13 mey raha tsy mahazaka lakrimozenina. “Vitsy anisa ny olona miaraka aminareo kandidà 10… Tsy maintsy ho lany amin’ny fihodinana voalohany ny filoha Rajoelina”, hoy izy.

Miantso ireo mpisehatra politika ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny fanambarany, omaly mba hiroso amin’ny dinika am-pilaminana. Manentana ireo mpifanandrina izy ireo mba hahay hitondra tena ary samy ho tomponandraikitra sy tsy hifampihantsy. Notsiahivin’izy ireo koa ny herisetra niteraka faharatrana sy ny fisamborana.

Nampiantso ny lehiben’ny mpitandro filaminana, ny eo anivon’ny Antenimierampirenena manoloana ireny herisetra nahazo laka tato ho ato ireny. “Tsy namaly izany ary tsy tonga anefa ny mpanatanteraka ka efa tsy mifampihaino intsony izany isika izao. Mbola miala nenina amin’ny dinika izahay ka handray andraikitra”, hoy ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly.

Partager sur: