Tovo J’Hay, etsy amin’ny Piment Café. Efa elaela tsy mba tazana tamina « cabaret » indray ity mpanakanto ity. Mialoha ny hanomanany ny fiverenany an-tsehatra goavana, manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Piment Café Behoririka indray i Tovo J’Hay, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo hira rehetra nahafantarana azy ity mpanakanto ity sy ireo mpitendry mpanaraka azy.
Ny Talenta, eny amin’ny Espace Dera. Mitohy hatrany koa ny fanafanana ny “cabaret” hataon’ny Les Talenta. Etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana indray izy ireo, anio manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hamelona sy hamerina ireo hira tsy henoheno ry Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppins, mandritra izany.
« Ny Cajon & Percu ». Tontosaina eny amin’”Ny Cajon &Percu” Amparibe, ny sabotsy 11 novambra 2023, ny fampisehoana sy fampirantiana ny zavamaneno “Cajon”. Hisy ny fampahafantarana sy ny fomba fikapohana azy. Eo ihany koa ny atrikasa fanodinana “contreplaqués”, izay anisan’ny akora fototra fanamboarana “Cajon”.
“Slam Poésie sur la culture numérique”. Anisan’ny mandray anjara ao anatin’ny hetsika « Novembre numérique », ny mpiangaly Slam. Hisy ny fifaninanana hiresahana lohahevitra maro, manodidina ny haitao ara-kajy mirindra, amin’ny alalan’ny Slam. Misokatra ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fanarahana ny fitsipiky ny « Slam poèsie », ny hetsika.