Namoaka didim-pitondrana laharana 050-2023/Cotal ny kaominina Talatamaty amin’ny hifehezana ireo toerana fisotroana zava-pisotro misy alikaola eny an-toerana. Mikatona amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana. Tsy mahazo mamoaka latabatra sy seza eny an’arabe. Mampimenomenona ny mpandeha eny Talatamaty tokoa ny fisian’ireo seza sy latabatra mibahana ny sisin-dalana ary ahina hitera-doza.
Ilaina ny mamolavola boky tsara rafitra ho fampivoarana ny fitaovam-panabeazana. Nisy atrikasa famolavolana loharanom-panabeazana ho an’ny mpampiofana sy boky ho an’ny mpiofana amin’ny sehatrasa « maçon » tao Morondava. Mpiasa avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no nisahana izany.
Tsy hisy tranga mahery vaika ahina hiseho mandritra ity herinandro ity. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimo na atsimo atsinanan’ny Nosy no hamaritra ny toetry ny andro manerana ny Nosy. Saika hanerana an’i Madagasikara ny oram-baratra anio ankoatry ny Analanjirofo, ny morontsiraky ny faritra Atsinanana sy Menabe, ny tapany avaratr’i Alaotra Mangoro ary ny tapany atsimon’i Sofia, izay handrahona vitsy.
Hanatanteraka fanentanana sy fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana momba ny areti-nify sy ny ativava ho an’ireo olona 5 taona miakatra ao amin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra SAVA ny ONG Dentaire avy any Frantsa miara-miasa amin’ny ONG CDD ao amin’ny ny Faritra SAVA.