Olona iray voatsindry tao ambany kamiao tetsy Ambohimangakely, omaly. Nivadika tampoka io fiara nitondra entana io. Olona telo no nitaingina io kamiao io ka tavela tao ambanin’ny fiara ny iray. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ity farany.
Olona iray maty voatsindrin’ny taksiborosy Sprinter, raha 25 ireo naratra tamin’ilay lozam-piarakodia teny amin’ny RN 4, afakomaly tolakandro. Taksiborosy mampitohy ny kaominina Berivotra sy Maevatanana ity niharan-doza ity. Vokatry ny fahavakisan’ny kodiaran’ny fiara no nahatonga ny loza. Mpamily mpanampy ity voatsindrin’ny fiara ity
Omby roa nangalarin’ny jiolahy ka notetehiny ary nariany teny an-dalana ny taolany tao Ambohimanarina Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly. Nalain’ireo olon-dratsy avokoa ny nofon-kena tamin’ireo omby roa. Nitsoaka nandositra ireo nahavanon-doza.
Nosamborin’ny polisy ilay vazaha namono ny sakaizany tao amin’ny fokontany Ampandrozonana, Sambava, afakomaly alina. Nisy nahazo sary ny fihetsika niaro herisetra nataon’io vazaha lahy io ilay vehivavy. Nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana.




