“Aleo handeha ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard. Hafahafa raha herinandro alohan’ny fifidianana no mbola hifampidinika. Firenena iza no hanaiky hoe mbola hatao lavabe ny fitondrana nefa efa tapitra fe-potoam-piasana ny filoha teo aloha ary efa mandeha ny fifidianana?
Hatolotry ny vovonana mpanelanelana “Pan-FFKM” ny iraisam-pirenena ny fehinkevitry ny dinika, natao teny Tsimbazaza, omaly. Anisan’ny ao anatin’izany ny fanamafisana ny tsy fahafenoan’ny fepetra ka hanemorana ny fifidianana. Homena koa ny governemanta sy ny Ceni… “Ho hitantsika eo ny ho tohiny”, hoy Razanamahasoa Christine.
Nodimandry, omaly, ny depiote Rasolofonjatovo Honoré. Niditra hopitaly afakomaly izy ary izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Voafidy amin’ny IRD tao Faratsiho ny tenany ary filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo. Nikisaka niandany amin’ireo depiote miara-dia amin’ny Vondron’ireo kandidà 10 izy raha vao raikitra ny “Hetsika fotsy”.




