TARATRY ny KANTO

Hikatona tanteraka ny IFM, anio. Mikorontana ny fandaharam-potoanan’ny IFM Analakely isaky ny sabotsy, noho ny toe-draharaha misy. Voatery ahemotra amin’ny fotoana manaraka indray mantsy ireo nokasaina hatao anio, satria hikatona tanteraka ity ivokolo frantsay ity. Saika ireo fandaharam-potoana tafiditra anatin’ny hetsika “Novembre Numérique” ireto nofoanana ireto.

Antsa an’i Kristy, eny Ilanivato. Manohy hatrany ny fiderana an-kira fanaony ny tarika Antsa an’i Kristy. Eny amin’ny FJKM Ilanivato Misionera indray ny fampisehoana hatolotr’izy ireo rahampitso alahady 12 novambra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Seho maimaimpoana izany, izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny sekoly ao amin’ny FJKM Ilanivato Misionera ihany.

“Journée Culturelle Chinoise”. Tontosaina anio, eny amin’ny Institut Confucius Ankatso, ny hetsika ao anatin’ny “Journée Culturelle Chinoise”. Ireo haikanto sy haify Sinoa no tena ho hita mandritra ny hetsika. Hisy ihany koa ny lalao sy fifaninana maro samihafa mandritra ity hetsika ity.

“Les Samedis de la Fondation H”. Ny mahakasika ny poezia sy ny fanenomana indray no handra­vaka ny hetsika «Les Samedis de la Fondation H», amin’ity anio ity, eny amin’ny Fondation H Amba­tomena. Hisy, araka izany, ny valandresaka manodidina ireo haikanto ireo, ankoatry ny atrikasa tarihin-dRamanankavana Elie.

Partager sur: