VAOVAO TAMBATRA

Tombony mandritra ny “Forum national des entrepreneurs » andiany faha-5 ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpisehatra ara-toekarena, indrindra ny fifampizarana eo amin’ny samy mpandraharaha. Mifampiankina ny fampiroboroboana ny maha olombelona sy ny orinasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.

Nisitraka fiofanana momba ny fiainana anaty kaoperativa, ny fitantanam-bola amin’ny fomba tsotra sy mora atao ary lafin-javatra samihafa ny kaoperativa telo misehatra amin’ny asa tanana ao Amoron’i Mania, ny herinandro teo. Taorian’io, nomena taratasy manamarina ny fijoroany ara-dalàna ireo mpisitraka rehetra.

Ilaina ny paikadim-pirenena ho famatsiam-bola ny tantsaha (SNFR) matanjaka. Natao ny 9 sy 10 novambra teo ny atrikasa entina hampifandrifiana araka ny toetr’andro izany paikady izany. Tanjona ny hampandrosoana maharitra ny famokarana sy ny vokatra, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Natao ny volana oktobra teo ny fivorian’ny vaomiera mpitarika ny fihaonan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Tany Toamasina no nanaovana azy, andraisain’ireo mpisehatra ara-toekarena samihafa, avy amin’ny tsy miankina sy ny orinasa. Eo koa ny an’ny fanjakana, toy ny ladoany, ny minisiteran’ny Varotra, ny fitandroana ny filaminana, sns.

Partager sur: