Hatao anio 11 sy rahampitso 12 novambra, any amin’ny ligin’Atsinanana, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”. Basikety lalaovin’olona telo, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety, hiarahana miasa amin’ny ligin’Atsinanana sy ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina.
Volley-ball. Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpilalao ity taranja ity, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga. Fifaninanana “passe de précision” izany, izay hatao indrindra ho fampiakarana ny lentan’ny mpilalao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-teknika. Ny 25 novambra izao no hanatanterahina azy ary natokana ho an’ny mpilalao “licenciés”.
Taorian-dRakotovazaha Allan, mpiandry harato, nantsoina hanatevina ny Barea de Madagasikara i Tony, vodilaharana. Miverina ho enina indray, araka izany, ny mpilalao avy eto an-toerana mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Anisan’izany, ry Tsiry kely, Dadafara, Tony, Lalaina, Tendry, Rado.
Notanterahina ny alakamisy lasa teo, ny fihaonana teo amin’ny Toulouse FC France sy ny Liverpool FC Angleterre amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Europa League 2024”. Lavon’ny Toulouse tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool. Marihina fa mitana ny laharana voalohany amin’ny vondrona “E” misy azy ireo ihany ny Liverpool.




