TSELATRA

Zazakely iray namoy ny ainy nipoahan’ny bateriana finday nofahanana tamin’ny takelaby mandeha amin’ny masoandro tao Andranomanelatra Antsirabe, ny zoma teo. Nirefotra teo amin’ny toerana namahanana azy ilay bateria ka nandoro trano nisy zazakely natory teo ambony fandriana. Kila tsy nisy namantarana azy intsony ilay zaza niharam-boina. Nifanome tanana ta­min’ny famonoana ny afo ny fokonolona.

Lehilahy iray kendan’ny taola-manga teny Anosibe Mandrangobato I, omaly atoandro. Teo am-pisakafoana atoandro izy no nitranga ny tsy nampoizina, sondrovaka tampoka ka lasa tany an-tendany ilay tola-manga. Nikoropaka ny tao an-trano ka tao ireo nikapokapoka ny lamosiny. Tsy tafavoaka anefa izany raha tsy nentina dokotera.

Mpitondra moto iray no notrongisin’ny kamiaobe teny By-Pass, ny sabotsy maraina teo. Nandeha mafy hihazo ny lalana mankany Amoronakona ilay mpitondra moto ka tsy nahafehy ny familiana, nifatratra tamin’ny kamiaobe iray. Potika tanteraka ilay moto raha naratra mafy kosa ilay mpitondra azy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy.

Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be, teny Isoavina Atsimondrano, ny sabotsy tolakandro teo. Avy niasa tamina orinasa afakaba iray eny Tanjombato izy no nandray taxi-be teo amin’ny tetezan’i Tanjombato. Efa ho tonga teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be any amin’ny farany anefa izy no nisy jiolahy mody niditra ka nisintona ny poketrany. Naratra izy na dia niezaka nanohitra ilay mpangalatra koa aza ny resevera.

Partager sur: